Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: nipoaka ny andrin-jiro, tranombarotra enina kila forehitra

Nialoha kelin’ny nampidiran’ny Barea baolina, andrin-jiro iray mitondra herinaratra mahery vaika ity nipoaka ao Tanamakoa ity. Kila hotohoton’ny afo ireo tranombarotra miisa enina ao an-toerana. Tao ny mpivarotra henan’omby, ny henan-kisoa, akoho amam-borona, ny lamba, ny sakafo masaka, ny fivarotana telefaonina finday. Raha ny fampitam-baovao voaray avy an-toerana, fifampikasohan’ny taribin-jiro ny nahatonga ny firehetana, izany hoe, nisy fotoana tapaka ny herinaratra ary niverina tampoka taorian’izay. Noho ity firehetan’ny tariby avy amin’ny andrin-jiro ity no nitarika ny firehetan’ireto tranom-barotra ireto. Fotoana fohy taorian’ny firehetana, tonga teny an-toerana nanao ny asam-pamonjena ny fiaraben’ny mpamonjy niantsona teny amin’ny manodidina ny kianja Stadium, teo koa ny fiarabe mpamonjy voina an’ny Spat Toamasina ka anisan’ny nanafaingana nahafahana nifehy ny afo. Kila tsy nisy noraisina intsony ny entam-barotra tao amin’ireto tranombarotra ireto.

Sajo sy J.C

 

Les commentaires sont fermées.