Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tahotra fitsaram-bahoaka: maty tao amin’ny ranon’Ikopa ilay mpanendaka

Tahotra fitsaram-bahoaka: maty tao amin’ny ranon’Ikopa ilay mpanendaka

Maty tra-drano! Lehilahy iray 22 taona, nangarom-paosy tao anaty taxi-be avy any Ivato no nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa, rehefa nifanenjehan’ny olona, omaly antoandro.

Natahotra fitsaram-bahoaka ity mpanendaka ity ka nitsoraka avy hatrany tao Ikopa. Ny olona rahateo, efa nentin-katezerana amin’ny afitsoky ny asan-jiolahy. Nilentika avy hatrany tao anaty rano ity jiolahy ity ka tsy nipoitra intsony. Niantso ny eo anivon’ny sampana mpamonjy voina ireo fokonolona. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina niaraka amin’ny fitaovana fampiasa amin’ny famonjena olona anaty rano. Naharitra minitra vitsy ny fikarohana nataon’ny mpamonjy voina ka nampiakarin’izy ireo avy ao anaty rano ny fatin’ilay mpanendaka. Mbola hita teny aminy ny kitapo avy nendahiny tao anaty taxi-be izay nahitana telefaonina finday, vola, karatra fisariham-bola.

J.C

Les commentaires sont fermées.