
“Tafiditra ao anatin’ny torolalana fanovan-drafitra avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoron’ny Tafika ny fisian’ny ivontoeram-piofanana an-dranomasina izay fomba iray ahafahana manatsara ny fahaiza-manao sy traikefa ananan’ny tantsambo miaramila hahatonga azy ireo ho matihanina tanteraka”, hoy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny capitaine de vaisseau, ny GA Jacquy Honoré, nandritra ny fankalazana ny andron’ny mpitantan-draharaha arovan’ny masindahy Martin, ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny Tafika malagasy, ny zoma teo tao Mahajanga. Nohamafisin’ity manamboninahitra ity fa fotoana izao hanamafisana ny fampiofanana vita eto an-toerana tsy hiankinana amin’ireo sekoly avy ivelany tahaka ny teo aloha. Efa misy 11 ireo tantsambo miaramila manaraka ny fiofanana ao ahazoana mari-pahaizana BAT Machine “Brevet d’aptitude technique” ary hisantarana amin’ny fomba ofisialy ity ivontoeram-piofanana ity ireo tovolahy voaantso hanohy asa miaramila ao amin’ny Tafika an-dranomasina miisa 200, ny faran’ny volana ho avy izao. Ankoatra ny Semipi, nahazo ny anjara fanomezana ho azy ny ivontoeram-piofanan’ny Tafika an-dranomasina ka ny lehiben’ny “direction central du commissariat des armées”, ny amiraly Assany Bemarivo Jeannot, ny nanolotra izany amin’ny tompon’andraikitry ny ivontoerana, ny lieutenant de vaisseau, i Anahy Zafinirandra Edson Claudino.
Jean Claude
Les commentaires sont fermées.