Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Fihazana an’izay ahiana ho nanota

Ho an’ny fitandrovana ny filaminana eo anivon’ny firaisamonina mizotra ho azy ny fanenjehana iadidin’ny mpitandro filaminana ao ambany fifehezan’ny fampanoavana rehefa misy ahiahy sy fandinganan-dalàna, izany moa raha mandeha amin’izay tokony ho izy ny fifehezana ao amin’ny firenena milaza azy ho tan-dalàna. Tsy eo ny toerana iadin-kevitra na ifandresen-dahatra itsarana momban’ny tena fanajana an’izany fitsipika izany eto amin’ny firenena.

Mba ahafahana ampijoro an’izay fitsipika izay anefa fantatra ny tsy fietezany  raha toa avela ho afa-maina ny mpitondra izay ipetrahan’ny ahiahy mikasika eloka heverina nohefaina teo amin’ny toeram-pahefana nosahaniny. Miseho moa ankehitriny ny finiavana anovana hetsika momban’ny fanenjehana olona izay ahiana nanararaotra fahefana anaovany raharaha maizina ahiana ho nifangaron’ny fihoaram-pefy. Amin’izao fotoana izao maro ireo tompon’andraikitra ambony teo aloha no efa ianjadin’ny fanadihadina mikasika raharaha teo ambany fiadidiny izay misy mampiahiahy ny fomba nanatanterahana azy. Afaka lazaina fa hatramina praiminisitra sy minisitra aza no efa voatohitohina toy izany ary efa mitandahatra eo ampelatanan’ny fitsarana mahefa, Haute Cour de Justice, ny antotan-taratasy momban’ny fanenjehana ny raharaha izay niandraiketany antony mahatonga azy ho voarangotra eo amin’ny laonin’ny fitsarana. Mitarozaka moa ny fombafomba manokana izay tsy maintsy hajaina, mbola manasarotra kokoa manoatran’ny eo anivon’ny fitsarana ho an’ny rehetra ( de droit commun ) izay efa tsy vita mora no mandany fotoana. Noho izay fisehon-draharaha izay mipoitra ny fanakianana maro, samy zava-dratsy izao no enjehana inona moa no antony anaovana sasa-nangy tsy itovizana, hoy ny fanontanin’ny olo-maro.
Tsy vitan’izay anefa fa eo koa ireo maika tsy faingana maneho fitakina ny fanenjehana an’ireo vao nailika farany avy eo amin’ny andraikitra nahankina taminy teo amin’ny fitondrana. Aoka kely kosa fa samy hafa, araky ny filazana ampahibemaso avy any amin’ny tampony, ny tsy fahavitana azy arak’izay nandrasana fa tsy nohon’ny ratsy nataony no nisarahana tamin’izy ireo. Mety hisy ihany ny fitranga na ahiahy mikasika raharaha niadidin’izy ireo, mandeha miandalana ny seho toy izany mety itranga, fa tsy vitan’ny fiazakazahana ary tsy ny aty aoriana indray no entina isongona ny teo aloha, na izay aza no mety hiteraka tsy fifampatokisana ka lasa ifampiapanga fanodinana ny fanenjehana eloka ho vali-kitsaka ifandimbiasana araky ny fifandimbiasana eo amin’ny toeram-pahefana. Ny vahoaka no tompo-teny farany momban’izay, tsy aleo ve izay toy izay ny teo aloha tamin’ny fitsikombakombana : ifandimbiasana ny fanaovana mody jamba mba samy tsy ho faty manota.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.