Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasa Padap – Marovoay: vahaolana voalohany ny fanadiovana ny lakandrano

Tetikasa Padap – Marovoay: vahaolana voalohany ny fanadiovana ny lakandrano

Manajary ny lakandrano any Marovoay ny tetikasa Padap* amin’izao fotoana izao ho famerenana ny lazany amin’ny maha sompitr’i Madagasikara azy. 70 % avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, 30 % avy amin’ny AFD ny vola hoentina amin’izany asa fanajariana izany. Tanjona nananganana ny Padap tamin’ny taona 2017, ny hampitombo ny vokatra. Ho an’i Marovoay, vahaolana voalohany ny fanadiovana ny fivoahan’ny rano sy ny lakandrano

Taona maro tsy nisy fikojakojana ny lemaka anarivony hekitara, hany ka tanimbary maro no maty, satria tototry ny fasika ireo lakandrano.

Ny dimy taona ho avy amin’ity tetikasa ity ny fiantohana tsy tapaka ny fampandehanana ny rano manondraka tanimbary. Hamafisina amin’ny lafiny teknika izany fanondrahana tanimbary izany, hataon’ireo mpamboly any an-toerana.  Ny tontolon’ny fambolena nozahana no antony nisafidiana an’i Marovoay  noho ny fisian’ny velaran-tanimbary midadasika tokony ho voatondraka ka hampitombo ny voka-bary sy ny fidiram-bola ho an’ireo tantsaha. Antoky ny fampandrosoana ny toekarena maharitra miainga avy amin’ny fambolena.

Anisan’ny mahazo fanohanana avy amin’ity tetikasa ity ny vondrom-bahoaka intsinjaram-pahefana, raha manana fandaharanasa fanajariana sy fitantanan-drano. Zahana ihany koa ny fananan-tany, ny fitandroana ny ala miaraka amin’ny zavaboary manodidina ho  fiarovana ny farihin’Ambaromalandy tsy ho ritra.

Matoky ny fanarenana izao fotodrafitrasa izao ireo mponina any amin’ireo kaominina ambanivohitra rehetra ao amin’ny distrikan’i Marovoay, hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Miasa manadio ny lakandrano amin’izao fotoana izao ireo trakitera sy fitaovana vaventy karamain’ny tetikasa Padap. Nijery ny fizotran’ny asa ny governoran’i Boeny, Andriatomanga Moktar Salim.

 

R.Mathieu

 

Padap* : Projet d’agriculture durable par une approche paysage

 

Les commentaires sont fermées.