Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS): mahazo fanampiana 5000 Euros isan-taona

Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS): mahazo fanampiana 5000 Euros isan-taona

Nambaran’Andrianarisoa Avotra Tokiniaina, filohan’ny klioba Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS) fa mahazo fanampiana mitentina 5000 Euros na 22.500.000 Ar isan-taona avy amin’ny Rugby France Flair (RFF), ity klioba sady sekolin’ny baolina lavalava ity. Lelavola hanabeazana sy hikolokoana ireo ankizy miisa 400 mianadahy tezaina ao amin’ny RCTS.

Vokatr’izay, nankasitraka ireo mpanohana avy eto an-toerana sy ireo any ivelany ny RCTS, ny asabotsy lasa teo, teny Imamba, toerana misy ny foibeny. Ankehitriny, nisaotra ny fitondrana izy ireo ny amin’ny namerenana ny tany ka nahafahan’izy ireo indray nitaiza kilonga amin’ny taranja rugby. Mangataka ny minisitera voakasika, amin’ny fanoratana tanteraka ny tany ho an’ny RCTS, hahazoana manatanteraka ny tetikasa hanangana toeram-pitsaboana hikarakarana ireo ankizy beazina ao amin’ity sekolin’ny baolina lavalava ity ry zareo. Tsiahivina fa isan-taona, rehefa volana jona, misy ny fizarana akanjo mafana sy lamba firakotra ho an’ireo ankizy ireo, ataon’ny RCTS sy ny Pachamama Frantsa. Eo koa ny fizarana sakafo aorian’ny fanazarantena, isaky ny asabotsy sy ny alarobia. Tsy ny rugby ihany no hanabeazana ny ankizy fa eo amin’ny maha olona ihany koa. Efa namoaka mpilalao mandrafitra ny Makis ny RCTS, raha tsy hitanisa afa-tsy i Véronique ao amin’ny Makis à VII sy i Fetra ho an’ny Makis, lehilahy.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.