Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety: natao fitiliana PCR fanindroany ny ekipa nasionaly

Basikety: natao fitiliana PCR fanindroany ny ekipa nasionaly

Ho fanomanana ny fiatrehana ny fifanintsanana amin’ny lalao Afrobasket 2021, izay hatao ny 25 hatramin’ny 29 novambra izao any Kigali Rwanda, natao fitiliana PCR fanindroany indray ny mpilalao mandrafitra ny ekipa malagasy sy ireo staffs rehetra, ny faran’ny herinandro teo. Dingana tsy maintsy arahina mialohan’ny hanatanterahana fifaninanana iraisam-pirenena ny fitiliana toy izao, mba hitandroana ny fahasalamana. Ankoatra ny fitiliana, manatanteraka lalao ara-pirahalahiana matetika ihany koa ny ekipam-pirenena malagasy, hanatsarana ny fahaiza-manao no sady fanazaran-tena rahateo. Ny ekipan’ny COSPN ny mifanandrina amin’izy matetika ary resiny hatrany. Vao nisy ny lalao teo amin’ny roa tonta ny faran’ny herinandro teo, teny Mahamasina.

Tsy miady irery fa misy ny malala-tanana manome tohana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’izao fanomanana izao. Tonga nanatitra rano ho azy ireo ny avy eo anivon’ny Julios Tours Madagascar, nandritra ny fanazaran-tena ny faran’ny herinandro teo. Tsiahivina, ny 22 novambra izao ny hanainga eto Madagasikara ny delegasiona malagasy, hihazo an’i Kigali Rwanda.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.