Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karate-Analamanga: nihaona voalohany, omaly, ny biraon’ny ligy

Karate-Analamanga: nihaona voalohany, omaly, ny biraon’ny ligy

Tafatsangana ny biraon’ny ligin’Analamanga, taranja karate, ka omaly ny nihaona voalohany teny amin’ny Railovy Analakely. Raha ny fantatra, miisa fito ny mandrafitra ity birao ity, ahitana ny filohan’ny ligy, ny filoha lefitra, ny sekretera jeneraly, ny tale teknika, ny mpitambola sy ny tomponandraikitry ny serasera ary ireo mpanolotsaina miisa roa. Amin’ny maha fihaonana voalohany io fotoana omaly io, fifankafahantarana eo amin’ny samy mpikambana ny nanombohana izany. Taorian’izay, niroso amin’ny dinika ho fametrahana ireo fepetra hanatsarana ny fitsipika anatiny mifehy ny ligy sy ny fifampitondrana amin’ny seksiona, eo ambany fifehezany.

Tapaka nandritra ny fivoriana natao fa tsy hisy ny fifaninanana amin’ity taona ity fa avy hatrany dia hanomana ny taom-pikatrohana 2021 ny ligy. Mbola hisy ny fihaonana tsy ho ela hanohizana ny dinika, raha ny fanazavana.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.