Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Rap ho an’ny taniko”: hitondra ny rap mitety vanim-potoana ny Animalk

“Rap ho an’ny taniko”: hitondra ny rap mitety vanim-potoana ny Animalk

15 taona niakarana an-tsehatra ankehitriny ny Animalk. Homarihina etsy amin’ny CLT Tsiadana, rahampitso 31 oktobra manomboka amin’ny 11 ora antoandro, io vanim-potoana io. Maro ny vahiny nasaina, hiaraka hanafana izany, toa an-dry Mamy Saya Lemi, ny Vondron’ny aloka, ny Maso miafina, ry Miora Killah&Ratex sy ny maro hafa… Ao anatin’izany, hanafana ny seho amin’ny alalan’ny fikosehana kapila ny DJ Nigo. « Nampitondraina ny lohateny “Rap ho an’ny taniko” izy ity, noho ny fahatsapana fa fitaovana mahomby hoenti-mampandroso ny hip hop, ary manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny tanora sy ny ankizy amin’ny fampitana hafatra anaty mozika », araka ny filazan’izy ireo.

Niforona taty aorian’ny taona 2000 ny tarika, natsangan’ny zokibe iray tao amin’ny “clan” Vondron’ny Aloka. Nanomboka teo, niezaka hatrany nanamasaka ny mozikany ny Animalk, mandraka ankehitriny. Tany am-piandohana, nisy an’i Eric, i Mamaso, i Aliano, i Klaas, i Kudaf ny Animalk. Ankehitriny, niampy an’i Maos sy i Adamah Skay, izay vavitokan’ny Animalk. “15 taona izay ny lasa, ho avy koa ny 15 taona manaraka. Ny Animalk, ho eo hatrany hanao ny drafitra “solo”, “duo”, “trio” ary ny iarahan’ny rehetra. Tsy hiova ary tsy miova ny Animalk fa izay nahalalan’ny mpankafy azy hatrany am-piandohana ihany”, hoy ny Animalk.

Narilala

Les commentaires sont fermées.