Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ifandroritan’ny any Ampanihy sy i Benenitra ny faritra faha-24

Tsy mitovy hevitra ireo solombavambahoaka any Atsimo Andrefana. Mitaky ny hametrahana faritra vaovao, faha-24, izy ireo, saingy ifandroritana kosa ny momba ireo distrika handrafitra izany. Nambaran’ny depioten’i Benenitra, Randrianandraina Théophile, fa tokony hiaraka ho faritra iray ny any Sakaraha, Ankazoabo, i Beroroha ary i Benenitra. “Tsy tokony ho any amin’ny “Plateau Mahafaly” izahay. Efa nangataka ny hametrahana ny faritra Isalo izahay tamin’ireo fitondrana nifandimby. Ahitana foko maromaro amin’ireo distrika anatin’io”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy mety raha hatao anarana foko ny faritra satria mety hiteraka adin-tsaranga izany ary heverin’ny sasany ho fanavakavahana. Tokony hisy koa ny kaominina havadika ho distrika, mialoha ny hananganana ny faritra vaovao, araka ny nambarany hatrany.

Hatao renivohitry ny faritra ny ao Sakaraha

Natsidiny sahady fa hatao renivohitry ny faritra ny ao Sakaraha noho ny eo an-toerana lalovan’ny lalam-pirenena RN7. Eo koa ny fananan’ny ao Benenitra harena an-kibon’ny tany, toy ny safira, ny emeraoda, ny arintany, ny volamena…

Etsy andaniny, nanamafy ny fanambaran’ny Fikambanan’ny terak’i Bara (Fiteba) kosa ny depioten’Ampanihy, i Keron Idéalson, ny amin’ny hizarana ho roa ny faritra Atsimo Andrefana. Tsy mitovy hevitra amin’ny avy any Benenitra. “Hapetraka ny faritra vaovao faha-24 “Plateau Mahafaly”. Efa vonona ny tolo-dalàna sy ny tolo-kevitra momba izany ka handrafitra ny faritra ny distrikan’i Betioky, i Benenitra ary Ampanihy”, hoy izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.