Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fandriampahalemana: hanampy ny Tafika an-dranomasina ny Japoney

Fandriampahalemana: hanampy ny Tafika an-dranomasina ny Japoney

 

 Tonga nitsidika ny lehibe’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny capitaine de vaisseau GA Jacquy Honoré, teny amin’ny toeram-piasany eny Ambohidahy, ny masoivohon’i Japon miasa eto Madagasikara, i Higuchi Yoshihiro, omaly. Votoatin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy i Japon izay efa nisy hatramin’izay. Nisongadina tamin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny fampandriana fahalemana an-dranomasina. Misampana amin’ny sehatra marolafy rahateo ny fiaraha-miasa eo amin’i Japon sy i Madagasikara, isan’izany ny fandriampahalemana sy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nampahafantarin’ity masoivoho ity ny tetikasa “Initiative de l’Océan Indo-Pacifique libre et ouvert » miompana amin’ny fampanjakana ny filaminana an-dranomasina. Fanirian’i Higuchi Yoshihiro ny fifanakalozana eo amin’ny Tafika an-dranomasin’ny firenena roa tonta amin’ny alalan’ny fandalovan’ny sambo japoney eto Madagasikara. “Firenena afaka mandroso i Madagasikara noho ireo harena misy ao aminy”, hoy izy. “Mivoatra ihany koa ny iraka ankinina amin’ny Tafika an-dranomasina. Mandray endrika roa izany andraikitra izany. Eo ny andraikitra maha miaramila: ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina ary ny toekarena: ny asa fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny toekarena manga”, hoy ny Jly Jacquy Honoré.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.