Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»

 

Seho efa fanao any ivelany ny « Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra, omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany. « Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa (batterie).

Efa nataon’i Solo Andrianasolo io fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto  an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le 5ème Element »

Nanjary nanao « Jeudi du Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.