Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy

Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy

 

 Voasambotry ny polisy ny talata teo, ary efa naiditra am-ponja avy hatrany ny lehilahy iray ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao vola sandoka efa nokarohana hatramin’ny taona 2018.

Araka ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle, sakelika fahefatra nandray an-tanana ity raharaha ity, efa kalaza amin’ny fanaovana vola sandoka tokoa ity lehilahy iray ity. Anisan’ny ao anatin’ny Fikambanan-jiolahy malaza mpanao vola sandoka, izay efa nokarohin’ny polisy hatrany amin’ny taona 2018 izy io, saingy izao vao sarona. Loharanom-baovao azon’ny BC 4 avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana misy azy, eny Sadabe, Talatavolonondry. Nosokafana ny fanadihadiana sy famotorana ary nidina ifotony avy hatrany teny an-toerana ireto farany, ny talata 27 oktobra teo. Hita tokoa ilay trano voalaza fa misy ireo jiolahy mpanao vola sandoka, saingy tamin’io fotoana nahatongavan’ny polisy teny, efa tsy nisy olona intsony tao an-toerana.

Milina avo lenta…

Na izany aza, niroso tamin’ny sava hao ilay trano ny polisy ka nandritra izany no nahasaronana ireo fitaovana maro samihafa. Anisan’izany, ohatra, ny ordinatera, “imprimante” izay tena avo lenta tokoa, raha ny voalaza, ankoatra ny singa sy kojakoja hafa fampiasany. Fantatra tamin’izany, fa ahavitan-dry zalahy hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo fitaovana ireo, izay efa nahatratra enina gony be izao. Nogiazana avy hatrany ireo entana ary nentina eny amin’ny biraon’ny BC4 hatao porofo atolotra ny fitsarana. Ilay lehilahy iray, naman’ilay tompon-trano moa, araka ny voalaza ery ambony no voasambotra tamin’io fotoana io, ary efa naiditra any am-ponja taorian’ny nanolorana azy ny fampanoavana. Tsy mijanona hatreo, araka ny voalaza, ny fanadihadiana sy famotorana ataon’ny polisin’ny BC 4 mikasika ity raharaha ity fa mbola hitohy.

M.R

Les commentaires sont fermées.