
Andriambavilanitra 5, poetan’ny ankehitriny no hitondra ny “Hanitr’i Eva” etsy amin’ny sekoly Cendrillon Soavimasoandro, ny alahady 1 novambra, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Hitondra ny fijeriny mahakasika an’i Eva izy ireo amin’io fotoana io. “ Tsy i Eva ilay namadika an’i Adama akory ny vehivavy… Manana ny hanitra ho azy ihany koa i Eva, ary havoitranay ao anatin’ny sanganasa izany”, hoy i Tsiaro ny Fitia. Lohahevitra maro no holalaovina amin’io andro io. Fitiavana misandrahaka amin’ny alahelo, ny ranomaso, ny tsiky, ny fahafatesana. Hovelomin-dry Tsiaro, Miritsoka, Antso fy Tia, Natiora ary i Larissa Ramanitriniaina izany. Eo koa ny fanentanana sy ny fandravahana ny seho amin’ny alalan’ny dihy, iarahana amin-dRabefitia. Raha ny 26 marsa 2020 teo no saika hanaovana ny seho “Hanitr’i Eva”… Nihantona izany noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana vokatry ny fidiran’ny valanaretina teto ary izao hotanterahina izao amin’izany.
Narilala
Les commentaires sont fermées.