Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana

Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana

 

 Ho afaka hampianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana izany ny mpitantana ambony raha mangataka ny hanana sata manokana mitovy lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka. Toherinay izany, hoy ny mpampianatra mpikaroka.   

 Misy volavolan-dalàna napetraky ny mpiasam-panjakana ambony manana ny mari-pahaizana Masters na mitovy lenta amin’izay ka nanohy fianarana teny anivon’ny sekoly ambony misahana ny fampianarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana mangataka sata manokana. Nodinihina tao anatin’ny filankevitry ny governemanta, omaly, ity volavolan-dalàna ity. Ny ampahany betsaka voasoratra ao amin’ny sata manokana dia mirona amin’ny fitoviana lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka (maitre de conférence sy maître de recherches amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsianasa ) ka hisitraka ireo tombontsoa rehetra mifandraika amin’izay, araka ny fanazavana azo omaly. Manoloana izany, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) foibe, izay nosoniavin’ny filohany, Randriamialinoro Faliarivony. Voalaza ao fa toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana sy ny fikasana hanao « décret » hafa hampiharana ny satan’ny mpampianatra mpikaroka  sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny sokajin’olona hafa. Manana ny sata ankapobeny mifehy azy ny asam-panjakana ka mandika izany lalàna manan-kery izany ny fanekena sata manokana hifehy ireo mpitantana ambony ireo, hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Zavatra hafa toy ny bonus na tombontsoa mifandraika amin’ny fianarana noratovina no hisitrahany fa tsy sata manokana. Mahatsapa ny mpikambana ao amin’ny Seces fa fanimbazimbana ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka ny fanomezana ny santany ho an’ny antokon-draharaha hafa na inona na inona ambaratonga misy azy ireo.

Raha eken’ny fitondrana ity volavolan-dalàna naroson’ny mpitantana ambony ity dia ahina hiteraka safotofoto sy korontana amin’ny asam-panjakana ka tsy azo ekena.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.