Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampitaovana: nomen’ny Orange fanamiana ny Makis vehivavy

Fampitaovana: nomen’ny Orange fanamiana ny Makis vehivavy

 

Natolotra ireo mpilalaon’ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ireo “tee-shirt” sy kitapo avy amin’ny orinasan-tserasera Orange Madagascar. Ho fanampiana sy fampirisihina ny ekipam-pirenena ny anton’izany, araka ny voalazan’ny mpanolotra. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasany amin’ny Malagasy rugby.

Ny Makis de Madagascar, izay ao anatin’ny fanomanantena amin’ny fiatrehana ny lalao sakana, hiadian-toerana amin’ny lalao Olympika, tanterahina any Japon ny taona 2021. Hatreto anefa tsy mbola fantatra marina izay tena firenena hampiantrano io fifanintsanana io. Raha ny voalahatra, i Frantsa no efa voatondro hanatontosana izany, saingy fantatra fa hiditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fihibohana indray ry zareo ka tsy ho raikitra izany. Ankoatra izay, tsy ho afaka handray anjara amin’ilay “tournoi”, kasaina hatao atsy Afrika atsimo ihany koa i Tonizia ka i Madagasikara sy i Kenya ary ry zareo mpampiantrano sisa no hiatrika izany.

Marihina fa fihaonana fanomanana ho an’ny ekipa telo tonta hiatrehana io fifanintsanana ho an’ny lalao Olympika io izany. Tsy mbola voafaritra ihany koa ny toerana sy ny daty hanatontosana ny lalao.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.