Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-“Afrobasket 2021”: lalao 6 avy ny hatrehin’ny ekipa tsirairay amin’ny fifanintsanana

Basikety-“Afrobasket 2021”: lalao 6 avy ny hatrehin’ny ekipa tsirairay amin’ny fifanintsanana

 

Antomotra ny fifanintsanana Afrobasket 2021 ho an’ny vondrona A, misy an’i Madagasikara. Iray volana latsaka sisa dia higadona io fotoana io. Raha ny fantatra, lalao miisa enina avy eo no hatrehin’ny ekipa tsirairay, mandritra ny “tournoi” miisa roa hangalana ny tapakila hiatrehana ny Afro basket amin’ny taona ho avy. Ny “tournoi” na “fenêtre” voalohany, izay hahitana lalao miisa telo ny miandry an’i Madagasikara, ny 25 hatramin’ny 29 novambra izao any Kigali Rwanda. Mitaky fanomanan-tena goavana izany satria tsy an-jaza ny fihaonana amin’ireo ekipa mpiray vondrona, hahitana an’i Centrafrique, i RD Congo ary i Tonizia. Eo amin’izay lafiny fanomanan-tena izay, araka ny loharanom-baovao, somary nisy fahabangana kely ny ekipa malagasy teo alohaloha teo, satria tsy afaka niatrika fanazaran-tena i Elly, noho ny tsy fahatomombanan’ny fahasalamany. Araka ny vaovao farany voaray anefa, efa misy fivoarana izay fahasalamany izay ka efa manomboka miverina mikotrana miaraka amin’ny namany i Elly, amin’izao fotoana izao.

Tsiahivina, izay firenena telo manana isa ambony indrindra ao anatin’ny vondrona ny hahazo ny tapakila hiatrehana ny Afrobasket 2021. Mbola manana vintana kosa izay laharana fahefatra manana isa ambony indrindra, amin’ny vondrona rehetra. Eo am-pelatanan’i Madagasikara, araka izany, ny vintana kanefa mitaky ezaka hatrany izany.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.