Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Akoor’digue sy ny CUA: fotodrafitrasa maro no nohavaozina sy naorina

Akoor’digue sy ny CUA: fotodrafitrasa maro no nohavaozina sy naorina

Na teo aza ny valanaretina covid-19 nitondra fahasahiranana ho an’ny orinasa maro. Tsy nataon’ny Akoor’digue Centre commericial tsy hanao zavatra akory izany. Nisy ny zava-bita…

 Niova endrika ny eny amin’ny lalana vahilava na ny « digue » mihazo an’Ivato. Nisy ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa eny an-toerana notontosain’ny Akoor’Digue Centre Commercial niara-niasa tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Nohamafisina tamin’ny alalan’ny rary vato ny sisin’ny « digue », miainga eo amin’ny kianjan’ny Maki ka hatreny amin’ny hopitaly Manara-penitra. Napetraka ihany koa ireo jiro miisa 20 mahery mandeha amin’ny herin’ny masoandro mba hisorohana ny tsy fandriampahalemana amin’ny alina eny amin’iny lalana iny. Fanitaran-dalana (voie de dégagement en pavé) mba hisorohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny amin’iny faritra iny izany. Natsangana ihany koa ny toerana ahafahan’ny olona mipetraka miandry ny fandalovan’ny « Bus » na ny « abribus » manara-penitra ahitana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay hirehitra hariva mandra-maraina. Novelomina ihany koa ireo fampahafantarana ny fitsipiky ny fifamoivoizana misoritra amin’ny tany na ny « marquages au sol ». Nasiana ihany koa ny « trottoir » voaaro amina andrim-bato iva ho an’ny mpandeha an-tongotra.

Ankoatra ireo asa, izay nampahafantarina, omaly, ny fahavitany, nomarihin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Akoor’digue ihany koa fa mitohy hatrany ireo hetsika efa nataon’izy ireo hatramin’izay. Anisan’izany ny fampiasana ny toerana ahafahana mialavoly. Ny fanatanterahana ny Halloween ny 31 oktobra, ny « Black Friday » ny 27 ka hatramin’ny 29 novambra izao, sns. Nampatsiahivin’ny tompon’andraikitry ny serasera sy ny « marketing » eo anivon’ny Akoor’digue ihany koa ny fitsanganan’ireo orinasa sy sehatra vaovao eo amin’ity « Centre commercial” ity. Anisan’izany ny KFC, ny Ymagoo, ny Geox : chaussure, sns.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.