Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Fahasitranana: nilalao i Abel Anicet ary nandresy 3 no ho 1 ny ekipany

Kitra – Fahasitranana: nilalao i Abel Anicet ary nandresy 3 no ho 1 ny ekipany

 

Afaka hitarika ny Barea Rakapy. Niakatra kianja, ny faran’ny herinandro teo, i Abel Anicet, milalao ao amin’ny Ludogorets, any Bolgaria.

Nibata avy hatrany fandresena ny ekipany tamin’izany rehefa nanamontsana ny ekipan’ny Montana, tamin’ny isa 3 no ho 1. Anisan’ny nisongadina teny ambony kianja ity mpilalaon’ny Barea ity ary tolotra tsara fipetraka avy aminy ny nampidiran’ny ekipany ny baolina iray. Efa tokony ho nahatafiditra baolina maromaro koa ny lehilahy tamin’izao lalao izao.

Tsy niatrika ireo lalao fanomanantena

Tsy azo ihodivirana izany fa anisan’ireo mpilalao hiatrika ny fihaonana amin’ny Elefanta Ivorianina, ny volana novambra izao, Rakapy. Tsy anisan’ireo niatrika ny lalao fanomanantena indroa miantoana, natao tany Luxembourg sy tany Maraoka, nifandonana tamin’i Borkina Faso, i Abel Anicet noho ny ratra nahazo azy teo amin’ny feny havia, tamin’ny lalao nataony tany Bolgaria. Tsy maintsy notsaboina nandritra ny telo herinandro ny tovolahy vao afaka niatrika fanazarantena. Sitrana soa aman-tsara ary izao ka niakatra kianja izao hiatrika ny fifanintsanan’ny “Can 2022”, hifandonana amin’ny Elefanta Ivorianina.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.