Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano-Analamanga : fantatra, anio, ny datin’ny fifidianana

Ho fantatra aorian’ny fi­voriana iarahan’ny ligin’Ana­lamanga amin’ny fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena eto Anala­manga, tanterahina anio, ny daty hanaovana ny fifidia­nan’ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Raha hiverenana ny fanazavana efa nambaran’ny filoha am-perinasa, Andrianjatomanitra Tojoha­nitra, tokony hatao amin’ny faramparan’ity volana oktobra ity, na ny fiandohan’ny volana novambra, ny fifi­dianana. Izany indrindra ny antony hanaovana ity fivoriana androany ity, handinihana ny fomba hanatante­rahana ny fifidianana sy ny fotoana ary ny toerana. Araka ny efa fantatra, tsy ho kan­didà intsony ny filoha am-perinasa, i Tojohanitra.
Eo amin’ny taranja lo­mano hatrany, hatomboka ny 8 novambra no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2020-2021. Aorian’izay, hisy ny fio­fanana ho an’ireo mpanazatra, hatao eto Antanana­rivo, ny 8 hatramin’ny 15 novambra, miaraka amin’andriamatoa Beunet, manampahaizana iraisam-pirenena. Ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika Seniors kosa ny fifaninanana iraisam-pire­nena voalohany hatrehina, hatao ny 3 hatramin’ny 6 de­sambra 2020 any Durban, Afrika Atsimo.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.