Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra maneran-tany : Feno 80 taona i Le Roi Pelé

Nankalaza ny faha-80 taony, omaly zoma 23 oktobra, ilay Brezilianina mpanjakan’ny baolina kitra maneran-tany, i Edson Arentes do Nascimento (Pelé). Mpilalao zandriny indrindra niatrika ny fiadiana ny ho tompon­daka eran-tany satria vao 17 taona monja i Pelé dia efa voaantso tao anaty ekipam-pirenena brezilianina. Ny taona 1958, nanao ny famaranana “Mondial” niaraka tamin’ny Seleçao i Pelé ka nandresy an’i Soeda, tamin’ ny isa 5 no ho 2. Izy no nampiditra ny baolina roa tamin’ izany. Amboara volamena voalohany azon’i Brezila ny tamin’io. I Pelé irery koa, hatreto, ny hany mpilalao nandrombaka ny amboara eran-tany intelo nisesy (1958; 1962; 1970).
Hatreto, tsy mbola nisy nahasongona ny baolina matin’i Pelé izay mahatratra 1 281, tao anatin’ny lalao 1 363 natrehiny. In-129 nahafaty baolina miisa telo. Voa­hosotra ho mpilalao men­drika indrindra ny taonjato faha-20-n’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa) i Pelé ary nomena ny “Ballon d’or d’honneur Fifa”, ny taona 2013. Noho ireo zava-bitany tsy manan-tsahala ireo no niantsoan’ny rehetra azy, “Le Roi Pelé”.
Raha tsiahivina, tao anaty ekipam-pirenena brezilia­nina hatrany izy nanomboka ny taona 1957 ka hatramin’ ny 1971. Nitsahatra tsy nilalao intsony baolina i Pelé, ny taona 1977.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.