Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy mitovy ny fototra niaingana: miteraka resabe ny fanarahana fomba

Tsy mitovy ny fototra niaingana: miteraka resabe ny fanarahana fomba

Mibahan-toerana ao anaty « facebook” indray ny fanarahana ny fomba amam-panao malagasy. Tsikaritra fa ampifandonina amin’ny fomba amam-panao na amina finoana nampidirin’ny vahiny eto izy io. Hatreto anefa, sarotra ny handravona ho iray ny hevitra mipoitra amin’ny tranga tahaka itony satria tsy mitovy ny fototra niaingana. Ao ireo mankahala mafy ny fomba amam-panao malagasy noho ny tsy fananana na ny tsy fahampian’ny fahalalana momba izany. Misy koa ny manosika sy mandà mafy ireo fombam-bahiny noho ny fahitana sy ny fahenoana ary ny fahalalana tantara…

Ny tsy azo hadinoina, nanana hevi-dalina ny fampiharana ny « zarazarao hanjakana ». Tsy tokony hiaina intsony ao anatin’izany ny fomba amam-panao malagasy. Manjary mitarika any amin’ny fahalemen’ny kolontsaina malagasy iray manontolo mihitsy ny fisian’io paikadin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona io raha mbola tazana amin’izao vanim-potoana fiverenana eny an-doharano izao!

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.