Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tonton Pa, Rampal, José Hasina: mitohy hatrany ny “Vazon’ny tanàna”

Tonton Pa, Rampal, José Hasina: mitohy hatrany ny “Vazon’ny tanàna”

Efa zary seho nahenoina fankasitrahana maro ny « Vazon’ny tanàna » iarahan’i Tonton Pa sy i Rampal ary José Hasina. Nanapa-kevitra ny mpikarakara fa hotohizana izany…

Hafampana ny faran’ny herinandro… Mitohy indray ny “Vazon’ny tanàna” miaraka amin-dry Tonton Pa, Rampal, José, tarika Hasina. Anio manomboka amin’ny 7 ora hariva ny lanonana hotanterahina etsy amin’ny La Cabane Jacks, Andavamamba anoloan’ny Alliance française. Mpihira efa tsy zovina amin’ny maro intsony ny hitondra ny mozikany amin’io fotoana io. Mpanakanto anisan’ny nanamarika ny fahazazan’ny tanora, ankehitriny, izy ireto ary azo lazaina ho mpihira tsy lefy laza, nahatety vanim-potoana maro ihany koa.

Samy manana ny hanitra ho azy, indrindra eo amin’ny lafiny feo sy ny famoronan-kira, izy telo mirahalahy ireto. Hovetsoina ao avokoa ireo hira nanamarika azy ireo teo amin’ny tontolon’ny mozika. Anisan’izany ny “Babonao”, ny “Fonjan’i neny”(José); ny “Mbola tsy mora”, ny “Dia ahoana?” (Tonton Pa); ny “Cyclone”, ny “Tsy misy nenina” (Rampal). Efa manomboka miverina tsikelikely ny hetsika zavakanto isan-karazany amin’izao, saingy mila manaja ny fepetra ara-pahasalamana hatrany tsy hiparitahan’ny valanaretina Coronavirus indray na efa afaka amin’ny fihibohana aza ny eto Madagasikara ankehitriny.

Narilala

Les commentaires sont fermées.