Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Le By Pass- Afterwork: hitondra ny mozikany ny tarika Iraimbilanja

Le By Pass- Afterwork: hitondra ny mozikany ny tarika Iraimbilanja

Mozika metaly… Tsy mety harafesin’ny fotoana ny fisian’izany tarika Iraimbilanja izany. Hitondra ny gadona mavesatra, etsy amin’ny Le By Pass, izy ireo, anio zoma 23 oktobra. Manomboka amin’ny 7 ora hariva ny lanonana. Hafampana, araka izany, ny faran’ny herinandro… Mpihira efa tsy zovina amin’ny maro intsony ny hitondra ny mozikany amin’io fotoana io, indrindra ny mpankafy rock. Mpanakanto anisan’ny nanamarika ny fahazazan’ny tanora, ankehitriny, izy ireto ary azo lazaina ho mpihira tsy lefy laza, nahatety vanim-potoana maro.

Hovetsoina ao avokoa ireo hira nanamarika azy ireo teo amin’ny tontolon’ny mozika. Anisan’izany ny “Tao an-tsekoly”, ny “Tehina”, ny “Ikopa”, ny “Alitara” sy ny maro hafa tsy ampoizina. Marihina fa anisan’ireo toerana manome lanja ny mpanakanto malagasy sy ny kolontsaina malagasy ny Le By Pass, akaikin’ny sampanana Ambohijanaka, eo anelanelan’ny Le Jardin sy ny Elgeco Plus.

Nomarihin’ny tomponandraikitra fa hajaina tanteraka ny fepetra rehetra ara-pahasalamana amin’ny seho sy korana tahaka izao tsy hampihanaka ny valanaretina Coronavirus.

Narilala

Les commentaires sont fermées.