Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – “Can 2022”: mpilalao telo vaovao voantso ho Barea  : Loic sy Mathyas ary Nina

Kitra – “Can 2022”: mpilalao telo vaovao voantso ho Barea  : Loic sy Mathyas ary Nina

Fantatra avokoa ireo mpilalao nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”.

Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasiona eny Isoraka, ny anaran’ireo mpilalao 25 mirahalahay, handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hifandona amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2022”. Nisy fiovana ny Barea, tamin’ity, satria nisy mpilalao vaovao telo vao tonga ka roa avy any ivelany dia ny mpiandry tsatoby, Randriamamy Mathyas, milalao ao amin’ny PSG. Vao 17 taona monja ny tovolahy, saingy efa manana ny halavana sy ny vatana maha mpiandry tsatoby, ary efa feno traikefa. Ankoatra izany, najanona i Dabo Ibrahim ary nosoloina an’i Razakanirina Nina, hany mpilalao avy eto an-toerana, ao amin’ny Fosa Jr. Vaovao ihany koa i Loïc Lapoussin, mitana ny toeran’ny irakiraka. Nantsoina niverina ho Barea indray kosa i Dax avy atsy Afrika Atsimo sy i Njiva, milalao any Thaïlande.

Nisaorana i Bakary Mario sy i Toavina Debakely izay samy niatrika ilay fiofanana natao tany Luxembourg sy ny lalao nikatrohana tamin’ny Etalons-n’i Borkina Faso. Manana olana ihany anefa ny Barea satria mety tsy ho afaka hamonjy ny lalao hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire io i Metanire sy i Hery Bastien ary i Carolus, noho ny tsy fisian’ny sidina ao aminy. Na izany aza, efa misy ny fifampiresahana amin’ny Caf sy ny Fifa, ahafahan’izy ireo mamonjy io lalao io, izay tsiahivina fa hatao any Abidjan ny lalao mandroso ny 9 novambra ary any Toamasina ny fihaonana miverina ny 17 novambra 2020.

 

Tompondaka

 

Ireo mpilalao 25 lahy mandrafitra ny Barea

Mpiandry tsatoby :

1- Melvin Adrien (FC Martigues, Frantsa)

2- Razakanirina Nina (Fosa Juniors, Madagasikara)

3- Randriamamy Mathyas (PSG U19, Frantsa)

Vodilaharana :

4- Razakanantenaina Pascal (JS St-Pierre, La Réunion)

5- Jérôme Mombris (Grenoble Foot 38, Frantsa)

6- Sylvio Ouassiero (CS Fola Esch, Belzika)

7- Romain Metanire (Minnesota United, USA)

8- Thomas Fontaine (FC Lorient, Frantsa)

9- Jérémy Morel (FC Lorient, Frantsa)

Irakiraka :

10-Andrianantenaina Anicet (PFC Ludogorets, Bulgarie)

11-Randriambololona Zotsara (FC Fleury 91, Frantsa)

12-Ilahimaharitra Marco (Royal Charleroi SC, Belzika)

13-Raveloson Rayan (Estac Troyes, Frantsa)

14- Ibrahim Amada (Al Khor Club, Qatar)

15- Bastien Hery (Linfield FC, Irlande)

16- Dimitri Caloin (FC Sète, Frantsa)

17- Andriamirado Arohasina Dax (Black Leopards, Afrika Atsimo)

18- Loïc Lapoussin (RU Saint-Gilloise, Belzika)

Lohalaharana :

19- Rakotoharimalala Njiva (Nongbua Pitchaya FC, Thaïlande)

20- Andriamahitsinoro Carolus (Al Qadisiya FC, Arabia Saodita)

21- Ramalingom Alexandre(CS Sedan A, Frantsa)

22- Hakim Abdallah (FC Swift Hesper, Belzika)

23-Voavy Paulin (Misr El Makkasa, Egypta)

24-Nomenjanahary Lalaina (Paris FC, Frantsa)

25- William Gros (FC Fleury 91, Frantsa)

 

Les commentaires sont fermées.