Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

 Notokanana omaly ny birao vaovaon’ny Federasiona Malagasy Afovoany (FMC) an’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito etsy Soamanandrariny. Toerana natao hampivoarana ny maha olona sy ara-panahy ary hampandrosoana ny firenena ity natsangana ity. Nitokana izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ary nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiangonana advantista amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampivoarana ny maha olona.

Mitohy ny hetsika fanangonam-boky ataon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izay nanomboka ny 22 ka hatramin’ny 24 oktobra izao. Hetsika hanairana ny sain’ny ankizy ho tia mamaky boky sy hanovo fahalalana anaty boky no tanjona. Ho an’ireo manana karazam-boky fianarana na fialamboly dia afaka manolotra izany ho azo ampiasain’ny ankizy hafa indray. Haparitaka amin’ny sekoly manerana ny Nosy ny boky voaangona hositrahin’ireo ankizy indrindra any amin’ny faritra lavitra andriana. Hangarahara tanteraka ny fitsinjarana izany.

Les commentaires sont fermées.