Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karate-Afrika “Kata en ligne”: hofantenana amin’ny fampiofanana ny solontenantsika

Ho fanomanana ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, kata, hampitain-davitra, taranja karate, mikarakaraka fampiofanana ireo karatekas, 8 hatramin’ny 14 taona, ny federasiona malagasy ny karate. Ireo mpikatroka mivondrona ao anatin’ny klioba manara-dalàna ihany anefa ny afaka mandray anjara amin’izany. Araka izany, amin’ny alalan’io fampiofanana, ny asabotsy sy alahady ho avy izao, io ny hifantenana izay ho solontenan’i Madagasikara hiatrika ity fiadiana ny tompondaka an’i Afrika ity. Entanina, noho izany, ireo mpikatroka rehetra hampiseho sy hanome ny tsara indrindra avy aminy, mandritra ny roa andron’ny fiofanana, hatao eny amin’ny Akademia nasionaly ny fanatanjahantena eny Ampefiloha. Raha ny fandaharam-potoana, mandra-pahariva ny andro, manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva, ny fifampizarana. Misy kosa ny fialan-tsasatra amin’ny 12 ora sy sasany hatramin’ny 1 ora sy sasany antoandro. Misy ny fitandroana ny fahasalamana mandritra ny fiofanana ary mbola mihatra avokoa ny fepetra ara-pahasalamana rehetra, raha ny fanazavan’ny mpandrindra eo anivon’ny federasiona.

Holazaina aorian’ny fampiofanana ny fandaharam-potoana manaraka, mahakasika ny fakana ny horonantsarin’ireo mpikatroka mendrika, ka hiatrika ilay fiadiana ny tompondaka an’i Afrika “kata en ligne”.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.