Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“JIOI 2023”: tsy afaka handray i Maldives, kandidà i Madagasikara

“JIOI 2023”: tsy afaka handray i Maldives, kandidà i Madagasikara

Namoaka fanambarana, ny talata 20 oktobra lasa teo, ny minisitry ny Fanatanjahantena ao Maldives, fa tsy afaka handray ny “Lalaon’ny Nosy” amin’ny taona 2023. Voarakitra anatin’io fanambarana io fa maintraika tanteraka amin’ny lafiny rehetra, toekarena sy fizahantany ary sosialy, ny fihanaky ny tsimokaretina Coronavirus any an-toerana. Voakasik’izany ihany koa ny lafiny fanatanjahantena. Noho izany ny nanafoanana ny fikarakarana ary tsy afaka handray ny “Lalaon’ny Nosy” amin’ny taona 2023 i Maldives.

Kandidà i Madagasikara

Tsy niandry ela fa naneho avy hatrany ny heviny ny filohan’ny Komity olympika malagasy, Randrianasoloniaiko Siteny, nanoloana ity fanambarana ity. Nambarany fa vonona handray ny andiany manaraka amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, ny taona 2023, i Madagasikara. Tsiahivina fa efa isan’ny firenena nifaninana ary nandefa antontan-taratasy ho isan’ny hofidina handray ny “JIOI 2023” i Madagasikara, ny taona 2019. Efa tamin’izany fotoana izany ny naneho ny fahavononana isika ary mbola mitazona izany. Na teo aza ny fisian’ny valanaretina Coronavirus, efa hita taratra fa efa voafehy izany eto Madagasikara ka tsy hanano sarotra ny fandraisana ny “JIOI”, izay mbola afaka telo taona.

Andrasana, araka izany, izay tapaka amin’ny fivorian’ny filankevitra iraisam-pirenena ny lalao.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.