Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Mafana ny andro, efa misokatra ny toeram-pilomanosana eto Madagasikara. Anisan’ny toerana be mpandeha izy ireny amin’izao fotoana izao, indrindra ny faran’ny herinandro. Mifanitsakitro mihitsy aza ny olona amin’ireo dobo filomanosana sasany. Tsy misy intsony ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ary tsy mametraka sy tsy hentitra amin’izany rahateo ny mpitantana ny toerana fa mamela malalaka ny mpanjifa. Mbola nampahatsiahy anefa ny filoham-pirenena fa na efa tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana intsony aza i Madagasikara, tsy maintsy hajaina kosa ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiverenan’ny aretina indray.

Anisan’ny vahaolana maharitra iadiana amin’ny kere any atsimon’ny Nosy ny tetikasa “Reeps” iarahana amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny CRS. Tetikasa hanamboarana tahirin-drano madio fisotro milevina any ambanin’ny tany izy io. Hampiasaina ny “geo-membrane” mahatahiry rano manodidina ny 450 metatra toratelo ka azo avy hatrany ampiasaina manomboka ny voalohan’ny volana novambra izao. Anisan’ny mampalaza ny any atsimo ny tsy fahampian-drano tsy ahafahan’ny mponina mivelona ara-dalàna sy manondraka ny tany mba hahavokatra.

Les commentaires sont fermées.