Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaompania Tsaradia: tsy voatery intsony manao fitiliana PCR ny mpandeha

Kaompania Tsaradia: tsy voatery intsony manao fitiliana PCR ny mpandeha

Araka ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika, ny 18 oktobra teo, foana ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara, manoloana ny tranga Covid-19. Mivoatra manaraka izany koa ny fandaminana ao amin’ny kaompaniam-pitaterana Tsaradia, misahana ny fitaterana ana habakabaka anatiny eto amintsika. Koa tsy voatery intsony tsy maintsy atao ny  fitiliana PCR manomboka ny 20 oktobra, ho an’ny mpandeha miainga eto Antananarivo ho any amin’ny faritra. Toraka izany koa ny mpandeha avy any amin’ny faritra mankaty Antananarivo.

Na izany aza, tsy maintsy arahina ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fiarovana, toy ny fanajana ny elanelana isan’olona, ny fitondrana arotava, ny fanasan-tanana amin’ny tsiranoka  “gel hydroalcoolique”. Efa vonona avokoa ny mpiasan’ny kaompania Tsaradia, eny amin’ny toeram-piantsonana sy ny eny ambony fiaramanidina, hiantoka ny dian’ny mpandeha tsirairay amin’izany rehetra izany.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.