Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaovao tambatra

Manentana ny mponina any atsimo ny solombavambahoaka  Henri Jean Michel, zanak’Androy, hamerina ny fomban-drazana « Salaka rano », hiadiana amin’ny hain-tany. Fomba fanao izany tany aloha, fangatahana tso-drano amin’ny razana hisian’ny rano, ady atao amin’ny kere, antoky ny fambolena sy ny fiompiana. Nankinina amin’ireo raiamandreny hazomanga ny fijerena andro hanaovana ny “Salaka rano”. Handray an-tanana ny lany rehetra ny depiote Henri Jean Michel.

Mijaly ny mpitatitra sy ny mpandraharaha any amin’ny distrikan’i Maroantsetra noho ny faharatsian-dalana, misy ampahan-dalana tsy ampy 100 m atao 30 mn mahery rehefa tena ratsy. Izay tombom-barotra mba azo, lany amin’ny vidin’ny kojakojan’ny fiara tsy maintsy soloina. Voatery lanjaina ny marary, misy maty an-dalana. Any amin’ny kaominina Ankofabe, manao tana-maro ny mponina,  nanamboatra ny lalana nanomboka voalohan’ity taona ity fa miantso ny fanjakana ny ben’ny Tanàna, i Boto Martin hanampy  azy ireo.

 

Les commentaires sont fermées.