Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Jiolahy iray nitsoaka ny lapan’ny fitsarana tao Maintirano taorian’ny fandrenesany valin’ny fitsarana azy. Raikitra ny fanenjehana ka tratra tsy lavitra teo ihany  ralehilahy. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa efa voatazona vonjimaika tao amin’ny fonja ao an-toerana izy noho ny resaka fisolokiana sy fisandohana andraikitra. Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha, nilatsaka ny didy ka mifonja enin-taona an-tranomaizina izy. Teo am-pitondrana azy hihazo ny fonja, nilaza ilay lehilahy fa handeha hivalan-drano kanjo nanararaotra nitsoaka. Nanao tifi-danitra indroa ireo zandary kanefa tsy nijanona ralehilahy ka nanenjika azy indray ireo fokonolona marobe. Vokany, tratra tao anaty ala honko izy ary naterina avy hatrany any amin’ny fonjan’i Maintirano.

 

Les commentaires sont fermées.