Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

 

Basikety: Tafiditra “Top 7” amin’ny fanananana kianja mitafo tsara eto Afrika, i Madagasikara, raha ny filaharana navoakan’ny Africa Basket, ny faran’ny herinandro teo. Voafidy tamin’izany ny lapan’ny fanatanjahantena ao Mahamasina izay efa nandray lalao iraisam-pirenena maro, toy ny Afrobasket. Ny kianja mitafon’I Kigali Arena any Rwanda, ny laharana voalohany, I Cairo Stadium Indoor Halls Complex any Egypta ny faharoa ary I Allis Arena any Afrika Atsimo kosa ny laharana fahatelo.

 

Volley: Tontosa soa aman-tsara ny fampiofanana ho mpitsara natao tany Tanambe Alaotra Mangoro, izay natao ny 12 hatramin’ny 16 oktobra lasa teo, nomen’ny federasiona. Mpiofana miisa 40 ny nisitraka izany, ka ny 12 tamin’izy ireo ny niatrika fanadinana ka afaka daholo. Nisy ny fanolorana marim-pankasitrahana ho azy ireo taorian’ny fampiofanana izay nomen’ny manam-pahaizana, toa an’ny Tale Teknika Nasionaly ny FMVB. Nahazo fitaovana toy ny baolina ihany koa ny ligin’Alaotra Mangoro.

 

Nangonin’i Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.