Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitoetra hatrany ireo fepetra fiarovana: foana ny hamehana ara-pahasalamana

Mitoetra hatrany ireo fepetra fiarovana: foana ny hamehana ara-pahasalamana

Mbola eo ny valanaretina. Mitoetra hatrany, araka izany, ireo fepetra ara-pahasalamana, araka ny nampitain’ny filohan’ny Repoblika, omaly. Mbola mikatona ny sisin-tany sy ny sidina avy any ivelany. Mbola voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 200. Foana kosa, manomboka izao, ny hamehana ara-pahasalamana.

« Fanapahan-kevitra noraisina, tsy misy intsony ny hamehana ara-pahasalamana. Tsy maintsy arahina anefa ny fepetra ary ho hentitra ny fanaraha-maso. Tsy maintsy manao arovavaorona ireo mivoaka ny trano. Hajaina ny elanelana 1 m », hoy ny filoha, omaly tamin’ny tafa nifanaovany amin’ny vahoaka malagasy. Na izany aza, voarara ary tsy mbola azo atao ny famoriam-bahoaka, mihoatra ny 200. Afaka mandray andraikitra amin’ny fepetra horaisina momba izany ny eny anivon’ny faritra.

Etsy andaniny, mbola mikatona tanteraka ny sisin-tany. Tsy mandray ireo sidina avy any ivelany. Misokatra hatrany kosa ny any Nosy Be, saingy tsy afa-miditra any ireo avy amin’ny firenena tafiditry ny Covid-19, andiany faharoa. Na izany aza anefa, hampodiana ny 1 novambra izao ireo mbola tavela any ivelany ary sidina farany izany, araka ny nambaran’ny filoha hatrany.

Fidiran’ny mpianatra maimaimpoana

Ankoatra izany, notsiahivin’ny filoha ny fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra amin’ny tsy fandoavam-bolan’ny ray aman-dreny. Hisy ny fizarana « kits scolaires » eny anivon’ny EPP, saingy tsy ny rehetra no hahazo izany. Notsindriny kosa fa hahazo tohana amin’ny alalan’ny « caisse ecole », amin’ny Fefi, ireo mpampianatra Fram tsy mahazo fanohanana « subvention » avy amin’ny fanjakana. « Ahafahana mampihodina ny sekoly izany », hoy izy.

Nialoha ireo, nampahatsiahy ny paikady niatrehana ny Covid-19 ny filoha. Teo koa ireo antontanisa nanambarany fa efa resintsika ny valanaretina, saingy mbola mila fitandremana.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.