Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tratra ilay mpamatsy odigasy dahalo

Tratra ilay mpamatsy odigasy dahalo

Tra-tehaky polisy avy ao amin’ny faritra Menabe ny lehilahy iray malaza mpama­tsy odigasy ireo dahalo. Voa­sambotra tao amin’ny kaominina Tsimiafana io lehilahy 45 taona io, ny alarobia teo. Fantatra fa tonga tao amin’ilay kaominina izy, ny alahady teo ary nivatsy ireo odigasy marobe. Vokany, nisy ireo nampahafantatra ny tranga tamin’ireo polisy teo an-toerana. Nandray ny andraikiny ihany koa ny olomboafidy mba hanaovana famotorana an-dralehilahy. «… Avy any amin’ny distrikan’i Mahabo io lehilahy io ary efa malaza ratsy amin’ny famatsiana odigasy ireo dahalo any amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina», hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena, loharanom-baovao. Nikasa hiverina tany Mahabo ralehilahy ka nosamborin’ny mpitandro filaminana, ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Tratra tamin’ny fisavana azy ny mohara, ny tapakazo maro. Nogiazana avy hatrany ireo odigasy marobe, nentina nanaovana fanadihadiana ny tenany. «Mitohy ny fanadihadiana azy», hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.