Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – Championship 2020 : tsy handray anjara ny Springboks Afrika Atsimo

Rugby – Championship 2020 : tsy handray anjara ny Springboks Afrika Atsimo

Hataraina ny an’ny rehetra naharay ny taratasy avy amin’ny federasiona rugby ao Afrika Atsimo (Saru) fa tsy handray anjara amin’ny fiadiana ny “Championship 2020” ny Springboks. 

Noho ny valanaretina “covid 19” mbola ma­mely ao Afrika Atsimo sy ny tsy fisian’ny sidina, nanambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly zoma 16 oktobra ry zareo Afrikanina tatsimo, fa tsy handray anjara amin’ny fiadiana ny “Champion­ship 2020”, taranja rugby ny Springboks.
Fihaonana, tanterahina any Aostralia, ny 31 oktobra ka hatramin’ny 12 desambra ho avy izao. Toy ny valan-da­tsaka no nandraisan’ny rehetra ity fanapahan-kevitry ny federasiona rugby Afrika Atsimo ity, tapa-bolana mialoha ny hanombohan’ny fifaninanana. Anisan’ny ekipa tena andrasan’ny rehetra mantsy ry zareo Springboks, tompondaka eran-tany. “Tsy manan-tsafidy izahay ary koa tsy afaka ny handahatra mpilalao tsy misy antoka ho an’ny fahasalaman’izy ireo ny federasiona”, hoy i Jurie Roux, tale mpanatanteraka eo ani­von’ny federasiona afrikanina tatsimo.
Olana ho an’ny Spring­boks, araka ny nambaran’i Jacques Nienaber mpanazatra, tsy mbola nandray baolina mihitsy na niatrika fifaninanana ireo mpilalao afrikanina tatsimo, taorian’ny niatrehany ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany fa­rany teo, izay nikatrohany tamin’i Angletera, ny 2 no­vambra 2019. Farafaharatsiny manko nahavita 500 mn avy ry zalahy vao afaka miatrika fifaninanana, araka ny nolazain’ny mpanazatra hatrany.
Araka izany, tsy misy afa-tsy firenena telo ihany izany no hifanandrina amin’ity “Championship 2020” ity dia ny All Blacks-n’i Nouvelle-Zélande, ny Pumas-n’i Ar­zantina ary ny Wallabies-n’i Aostralia, izay mpampiantrano ny fihaonana.
Marihina fa noho ny fisian’ny valanaretina “covid 19”, tanterahina amin’ny firenena tokana ny lalao rehetra, amin’ ity andiany ity.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.