Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raharaha famonoana an’i Adriana: vehivavy telo naiditra am-ponja, mbola karohina i Moussa

Raharaha famonoana an’i Adriana: vehivavy telo naiditra am-ponja, mbola karohina i Moussa

Ramatoa miisa telo akaiky an’i Moussa na Papa Johns, nampidirina am-ponja ao Mahajanga, ankehitriny. Mety hanampy amin’ny fikarohana ilay nahavanon-doza ny fahatrarana ireo fianakavian’i Moussa ireo.

Taorian’ny famotorana na­taon’ny mpitandro fi­laminana, vehivavy mii­sa telo, olona akaiky an’i Moussa na Papa Johns, voasambotra, ankehitriny. Nam­pidirina am-ponja vonjimaika ao Mahajanga avokoa. Tra­tran’ny polisy avy ao Manga­rivotra tao amin’ny renivohitr’i Boeny avokoa ireo vehivavy ireo, izay tsy iza fa ny va­din’i Moussa sy ny rafozam-baviny ary vehivavy iray hafa. Fantatra fa teo Belobaka no voasambotra ny iray. Tao Tanambao Sotema kosa ny iray hafa raha teny Tsararano ny iray farany. «Isan’ireo mpifandray an-telefaonina matetika amin’i Moussa ireo vehivavy ireo ary voalaza fa mpiray tsikombakomba aminy amin’ny asa ratsy nataony», hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Nambarany fa mety hampivoaka an’ilay nahavanon-doza ihany koa ny fahatrarana an’ireo akaiky azy.

Mbola tsy hita hatramin’izao
Taorian’ny nivoahan’ny didy fisamborana an-dralehilahy, mbola tsy hita popoka izy. Maro ny fikarohana efa natao saingy mbola tsy nahitam-bokany hatramin’izao. «Isan’ny mampananosarotra ny fikarohana ihany koa ny toe-javatra anketriny. Izay anaovan’ny tsirairay aro­vava», hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tsy manakana ny fikarohana anefa izany ary efa miparitaka any amin’ny mpitandro filaminana manerana ny faritra avaratry ny Nosy ny sarin’i Moussa.
Tsiahivina fa nilalao nia­raka tamin’ny namany i Adriana no nalaina lehilahy lava ranjanana, volana vitsy lasa izay. Mpiara-monina aminy i Mous­sa, ary izay ny antony tsy nisalasalany nanaraka azy, tamin’izany. Saingy ny vata-mangatsiakany sisa no navelan-dralehilahy teny amo­ron-tatatra, ora vitsy taorian’izay, tao amin’ny fo­kontanin’Ambohimandamina. Nitsoaka kosa ilay nahavanon-doza raha vao tsikaritry ny fokonolona nanenjika azy.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.