Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mozika Pop Indie Pop: hamoaka ny «Ho Iray» i Lucas Ravoson

Mozika Pop Indie Pop: hamoaka ny «Ho Iray» i Lucas Ravoson

Hivoaka, anio, asabotsy 17 oktobra 2020 ny hira, ahitana rindrantsary «clip» mitondra ny lohateny «Ho Iray» an’i Lucas Ravoson. Efa-taona niakarana an-tsehatra, mivoy ny gadona Pop, Indie Pop ny tovolahy. Nahafantarana azy ny «cover» sy ny fandikana, fihirana sanganasan’olon-kafa na ny «interprétation» maro isan-karazany. «Anisan’ny hira navoakako , ny volana avrily teo ny «Tia ho faly», aingam-panahy notakarina sy narindran’i Lighthouse-Patrick Wat­son, izay nampiana ny tonon-kirako», araka ny nambarany.
Tanora te hitondra anjara biriky amin’ny atao hoe «révolution musicale» eto Madagasikara i Lucas
Ra­vo­son, raha ny filazany. «Satria hita tokoa fa maro ireo mpanakanto efa miala amin’ny mahazatra, izany hoe, mametraka ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny mozika… Mba te hitondra zava-baovao ihany koa aho, noho ny ny talenta nomen’Andriamanitra, tsy maintsy ampitomboina foana ka atao izay hampiasana azy amin’ny tsara», hoy i Lucas Ravoson. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny tenany ary manana ny kaonty “facebook” Lucas Ravoson, ho an’ireo te hifanerasera aminy.

Narilala

Les commentaires sont fermées.