Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kianja Stadium Barikadimy : mifanilika andraikitra ny kaominina sy ny ligy ary ny Drjs

Kianja Stadium Barikadimy : mifanilika andraikitra ny kaominina sy ny ligy ary ny Drjs

Raha tsarina, mbola misavoritaka ny fandrodanana ireo trano manamorona ny lalana miditra ao amin’ny kianja Stadium Barikadimy Toamasina. Toerana handraisana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny tapaky ny volana novambra ho avy izao. Anton’izany, lany andro mifanilika andraikitra fotsiny amin’ny tokony hanesorana ireo trano ireo ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina sy ny ligim-paritry ny baolina kitra ary ny sampan-draharahan’ny tanora sy ny fanatanjahantena (DRJS). Ireto farany, izay tsy tonga nanatrika ny fivoriana, natao ny 2 oktobra lasa teo. An-daniny raha ny angom-baovao, efa nisy ny baiko avy tamin’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy fa tokony hiala avokoa ireo trano mety hanelingelina ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa, indrindra ireo tafiditra anatin’ny “pique” napetraky ny teknisianina.
Raha tsorina, manahy ny mpitia baolina kitra sao tsy ho tratra ny fe-potoana hanaovan’ny solontenan’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) fi­tsirihana ny kianja, izay hiandrasana fankatoavana.
Na izany aza, misy ihany ny asa mizotra, araka ny tokony ho izy, raha tsy hilaza afa-tsy ny ilany avy ety amin’ny lalam-pirenena faharoa mihazo an’ i Mangarano iny. Ny ao amin’ny parking dia eo am-panamboarana ny an’ny ofisialy raha mbola tany malalaka sy mikorontana ny an’ny daholobe. Mbola lalam-pasika kosa ny an’ny ofisialy sy ireo mpanao gazety.

Sajo

Les commentaires sont fermées.