Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karatra maitso : tsy azo atao tsindrian’ila ny zokiolona

Nanana ny fomba nanamarihany ny Andron’ny zo­kiolona koa Ambatondra­zaka. Isan’ny voaresaka ma­nokana tao indray ny momba ny karatra maitso izay notsiahivin-dRakotohandriam­baoharison Germain, filoha itambaran’ny fikambanan’
ny zokiolona ao anatin’ny Disitrikan’Ambatondrazaka sy Ramerijaona Parfait, Ta­lem-paritry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivany. « Efa taona maromaro, hoy izy, no efa lany teny amin’ny Antemierampirenena sy Ante­mierandoholona ny faneken’ny fanjakana hanomezana ny zokiolona  karatra maitso , hahazoan’izy ireo mi­sitraka tombontsoa mano­kana tokony ho azy. Ny Didy mampihatra izany no mbola tsy mivoaka, hatramin’izao ! ».
« Ompa no azon’ny zo­kiolona iray, tamin’ny mpanampy mpamily, raha mba nitaky fitsinjovana», hoy ny Talem-paritra.. Fa mila ale­han’ny saina ihany koa ny ha­maroan’ny zokiolona, ny lanjan’ny tombontsoa ta­kin’ny tsirairay amin’ireny, miova arakaraka ny tsirairay, miavosa sy marolafy mihitsy ny ta­kin’ny sasany. Noho ny fiaraha-miasan’ny fita­leavan’ny mponin’Alaotra-Man­goro amin’ny fikam­banana mpanao asa soa Lions Club du Lac Alaotra, misy ny fizahana maimaim-poana ny zokiolona voan’ny « cataracte ».

Rarivo

Les commentaires sont fermées.