Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karate : hanao fifaninanana “Kata en ligne”

Karate : hanao fifaninanana “Kata en ligne”

Manomboka mihetsiketsika ihany koa ny eo anivon’ny federasiona malagasy ny ta­ranja karate, amin’izao fotoana. Raha toa ka mbola tsy azo eritreretina ny fahafahana manatanteraka fifaninanana hatrehin’olona mihoatra ny 200, nikaroka hevitra ny FMK. Araka izany, hisy ny fifaninanana eo amin’ny sokajy Kata, amin’ity oktobra ity. Amin’ny endriny hafakely ny hisehoan’izany satria hampitaina amin’ny fifandraisan-davitra ny fifaninanana, noho ny tsy fahafahana mamory olona betsaka amin’ny toerana iray.  Mbola hisy moa ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy an’ity fifaninanana ity, ataon’ny federasiona mala­gasy ny karate. Ho fantatra amin’izany ny mahakasika ny fi­tsipika mifehy ny fifaninanana sy ny fomba hanatanterahana izany. Ny azo antoka kosa, dia tsy maintsy atao amin’ity volana oktobra ity ny fifaninanana.
Ho an’ny seksiona Antana­narivo renivohitra, eo an-dalam-pamaranana ny fanomanana ny fifidianana, amin’
izao, ny komity mpikarakara.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.