Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho an’ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée : Ivontoerana efatra no hitsinjara ny « caisse école »

Ho an’ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée : Ivontoerana efatra no hitsinjara ny « caisse école »

Tanteraka omaly ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny mpiara-miombon’antoka efatra sy ny minisiteran’ny Fa­na­beazam-pirenena : BNI, Paositra Malagasy, Première Agence de Microfinance, Volamahasoa. Tanjona amin’izany ny hametrahana ny fiaraha-miasa madio eo amin’ny fitsinjarana ireo « caisse école » natao hanampiana ireo EPP, CEG ary Lycée manerana ny Nosy. Izy ireo no hiandraikitra ny fandefasana ny vola « caisse école » any amin’ny « compte » ny FEFFI avy ao amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana foibe ka hanaparitaka izany manerana ny Nosy. Tanjona ny hisian’ny mangarahara sy fitantanana madio ary manaja ireo fepetra arahina amin’ny fitantanam-bola satria volam-bahoaka ny «caisse école ». Arahi-maso ny fandaniana azy ary efa voasoratra mazava araka ny lalàna ny zavatra azo ampiasana azy. Tsy main­tsy mitsangana ara-dalàna ny biraon’ny FEFFI hitantana ny sora-bola ary nisy ny fanadihadiana teny ifotony nanamarina ny vaovao rehetra. Ho an’ny lycée manokana, nofoanana ny conseil d’établissement izay mitantana ny tetibola manokana azy ireo teo aloha ary novana ho FEFFI ihany koa. Eo am-pananganana izany ny tomponandraikitra amin’izao fo­toana izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fana­beazana, Sahon­drarimalala Marie Michèle. Mahatratra 26 800 ny EPP manerana ny Nosy raha 13400 ny CEG. Nanatanteraka ny fanavan-tsonia ny tale jeneralin’ny pedagojia eo anivon’ny mi­nisiteran’ny Fanabeazana, Raoni­herijaona Andria­mia­ka­tsilavo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.