Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika « Youth Konnekt Fanoitra » : homena sehatra ny tanora mpandrahara sy manana tetikasa

Hetsika « Youth Konnekt Fanoitra » : homena sehatra ny tanora mpandrahara sy manana tetikasa

Hetsika « Youth Konnekt Madagasikara – Fanoitra ». Fanomezana sehatra ny tanora sy hanomezana tantsoroka azy ireo mba hivoarany, araka ny nambaran’ny sekretera jeneraly misahana ny tanora eo anivon’ny MJS, Ratovoson Juliana. « Mijery ny fampanana asa sy ny fandraharahana io « Fanoitra » io afahana mahita fiofanana. Fanamafisana ny fahaiza-manao ary ny fanomezana lanja ny tanora mpandraharaha eo amin’ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena. Ifanakalozana traikefa sy hifaneraserana amin’ireo mpiara-miombona antoka koa », hoy izy. Hisy koa ny fifaninanana tetikasa mendrika, ahazoana tohana eo amin’ny vola sy fitaovana, araka ny nambarany.
Natsidik’izy ireo sahady koa ny dingana aoriana amin’ny fampahafantarana ireo rehetra misehatra eo amin’ny fandraharahana. Manam­py izany, ny tahirin-kevitra mampahafantatra ireo sehatra miankina na tsia amin’ny fanjakana. Ireo mpiara-mi­ombona antoka afaka manohana ny tanora. Hita amin’izany koa ireo tanora mitondra tetikasa ary ahitana ny antsipiriany ny momba ireo mpandraharaha.
Nialohavan’ny fanofanana ireo tanora teto Anala­manga sy Androy, maherin’ny 700 izany ary mbola hiitatra any amin’ny faritra hafa.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.