Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fibatana fonjamby – 2020 : tsy hisy ny fifaninanam-pirenena

Fibatana fonjamby – 2020  : tsy hisy ny fifaninanam-pirenena

Amin’ny taona 2021 no ha­natanterahana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasi­kara 2020, eo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Io no nambaran’ny filohan’ny federasiona, Randriamanarivo Harine­lina, izay nanamafy fa noho ny krizy ara-pahasalamana nitranga teto amin’ny firenena no nahatonga izany. Tsiahi­vina, tokony tamin’ny volana avrily tany ho any no nanaovana azy ity, tany amin’ny li­gin’i Vakinankaratra. Maha­kasika izay hatrany, hiankina amin’ny fivoriambe fanao ara-potoana ho an’ny federasiona, amin’ny volana desambra ho avy io no hanapahana, raha ho voatazona any Antsirabe ihany na hiova faritra hafa no handray izany fifaninanam-pirenena izany. Ho an’ny sehatra iraisam-pirenena indray, any amin’ny volana avrily 2021 atsy Maorisy no hanaovana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tafiditra ihany koa amin’ny fifanitsanana hiakarana amin’ny Lalao olympika. Mazava ho azy, hanana solontena hiatrika izany isika, izay marihina fa manana atleta maromaro mbola anatin’ny hazakazaka tsara, ny hahazo tapakila handehanana any Tokyo Japon. Fantatra, fa ha­tramin’ny volana aogositra no hahafahan’ireo atleta miady tapakila, araka ny toromarika avy amin’ny iraisam-pirenena ka afaka manenjika izany izy ireny.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.