Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Esther Randriamamonjy: «Vonona ny Tahala Rarihasina»

Esther Randriamamonjy: «Vonona ny Tahala Rarihasina»

Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Iray amin’izany ny fanatanterahana ireo karazan-tsehon-javakanto isan-karazany tahaka ny rindran-kira, fampirantiana… Iray amin’ireo efitrano malalaka hanehoan’ny mpanakanto ny talentany ny Ta­hala Rarihasina, etsy Ana­la­kely. Nampahatsiahy sady na­nentana ireo mpanan-talenta manerana ny Nosy Rtoa Esther Randriamamonjy, tale jeneralin’ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Mala­gasy : « mba haneho ny kantony sy hampita izany amin’ny ankizy sy ny tanora malagasy, raha tsy izany, ho voafafan’ny zava-mandalo avy any ivelany ny harentsaina sy ny kolontsaina mbamin’ny soatoavina malagasy». Nohamafisiny tamin’izany fa «vonona mandrakariva handray ireo havana mpanakanto manerana ny Nosy ny Tahala Rarihasina, etsy Analakely».
Tombony ho an’ny tontolon’ny zavakanto (hira, dihy, hosodoko, fitendrena zavamaneno, tantara sy velakevitra…), ny fisian’ny Tahala Rari­hasina etsy Analakely, noho izy, miorina anivon’ny Renivohitra. Mila hajaina ha­trany anefa ireo fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.