Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Belo Tsiribihina : kamiao nivadika namono olona

Niakatra fampanoavana, omaly, ilay mpamily sy ny tompona kamiao nivadika, ny talata alina teo manodidina ny tamin’ny 11 ora alina. Vokany, nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Morondava ny mpamily. Afaka tamin’izany kosa ny tompon’ny fiara. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa kamiao mpitatitr’entana ilay kamiao avy ao Tsimafana nihazo an’i Belo Tsiribihina. Nony dify ny sakana sy ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana tsy lavitra teo, nampiditra olona manodidina ny 20 isa ny mpamily teo amin’ny fokontany Lambokely. Tapaka hisatra anefa ny fiara teo amin’ny kaominina Bero­boka ka nivadika. Vokany, olona roa indray namoy ny ainy, ny mpanampy ny mpamily sy ny rangahy lehibe iray manodidina ny 50 taona. Maty voatsindrin’ireo entana ilay mpanampy ny mpamily raha maty noho ny dona mafy nahazo azy kosa ilay mpandeha. Olona dimy hafa kosa naratra nandritra ny loza ary efa tsy ahina ny ainy, ankehitriny. Nambaran’ny zandary fa ratsy ny lalana mampifandray an’ireo toerana ireo, antony nahatonga ihany koa ny loza.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.