Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tolotra maimaim-poana ho an’ny vahoaka: handalo faritra telo ny diabe ara-pahasalamana

Tolotra maimaim-poana ho an’ny vahoaka: handalo faritra telo ny diabe ara-pahasalamana

Niainga omaly teto an-dRenivohitra ny « Diabe ara-pahasalamana » ho any amin’ny faritra Atsimo ny Nosy, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamana.

Tolotra ara-pahasalamana maro samihafa no hatao mandritra ny hetsika hiarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny eo anivon’ny Fiadidiana ny repoblika misahana ny raharaha sosialy sy ny politika. Faritra telo no hisitraka ny fandalovan’ireo fiarabe miaraka amin’ny fitaovana ara-pahasalamana ireo : Faritra Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany ary ny Matsiatra Ambony. Anio, handalo ao Betafo ny diabe ary horaisina an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, hojerena manokana koa ny momba ny olan’ny sofina sy ny maso. Hahazo torohevitra ireo niharan’ny herisetra, araka ny fanazavana. Maimaim-poana avokoa ny tolotra ho an’ny vahoaka. Hitohy any Ambalakey ny fandraisana, ny alatsinainy ary any Vohipeno ny alarobia ho avy izao. Tsy voalohany no nanao hetsika tahaka izao ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana ho fampanatonana ny fahasalamana ho an’ny vahoaka. Ahitana fitaovana sy fanafody ny fiarabe mandray olona.

Hampiana 30 ny dokotera sy paramédicaux 

Momba ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo kosa, mitohy ireo asa tanterahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka any atsimo. Tao amin’ny kaominina Ebelo sy Ifotaka no nidina ifotony ny minisitra, profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis sy ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana nijery ny vahaolana vonjimaika sy maharitra ho amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Nambaran’ny minisitra fa hampiana 30 ny dokotera sy Paramédicaux alefa amin’ireo distrika dimy : Amboasary, Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Ampanihy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.