Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taxi-Be Antanimena: hampiara-peo amin’i Samoela i July

Taxi-Be Antanimena: hampiara-peo amin’i Samoela i July

Zoma manifika…Hitondra ny vazo miteny, etsy amin’ny Taxi-Be Antanimena, i Samoela, anio alina. Hanomboka amin’ny 6 ora hariva, efa hisokatra ny fandraisana ary amin’ny 8 ora alina no hanomboka ny fampisehoana i Samoela. Hanam-bahiny nasaina manokana izy amin’izany. Hiaraka hanafana ny sehatra aminy i July. Hiezaka ny hitety vanim-potoana maro i Samoela amin’io ka hikalo ireo vazony taloha tsy afaka am-bavan’ny maro nanomboka tany amin’ny « Sexy Gril », «Soly » ary ny taty aoriana, ny « Rava », ny « Mamirapiratra » sy ny maro hafa…

Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fiarahana mihira ho an’i Samoela sy i July. Ity farany, andrasan’ny maro ny hikaloany ilay hira mitondra ny lohateny hoe : « Havako Mamomamo». Tsy ho latsa-danja amin’ireo « Cabaret » eto an-dRenivohitra, noho izany, io seho iarahana amin’i Samoela io. « Tsy mitsahatra mikaroka zava-baovao atolotra ho an’ny mpankafy sy ny mpiala voly isaky ny faran’ny herinandro izahay… Sehatra iray hampivelarana ny talenta hananan’ny mpanakanto ny Taxi-Be ka tsy hanavahana na efa malaza na vao misondrotra », hoy ny mpikarakara.

Narilala

 

Les commentaires sont fermées.