Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mbola nisandoka ho « assistant parlementaire »: tratran’ny polisy ilay fiara nandona moto, avy eo nitsoaka

Mbola nisandoka ho « assistant parlementaire »: tratran’ny polisy ilay fiara nandona moto, avy eo nitsoaka

Tra-tehaky ny polisy nanao fisafoana teny Alasora ilay lehilahy nitondra fiara 309, nandona moto nitondra vehivavy bevohoka valo volana sy ny zanany enin-taona ary ny rainy. Tranga niseho teny an-toerana ihany, ny harivan’ny talata teo tokony ho tamin’ny 07 ora sy 15 minitra. Araka ny fantatra, nifaoka ireo mpandeha moto nihazo an’Alasora, teny akaikin’ny biraon’ny Domaine ilay fiara ka nitsoaka nandositra nanohy ny diany. Naratra mafy tamin’izany ireo mpandeha moto ka voadona mafy tandrify ny lohany avy. Nisy nahatsikaritra anefa ilay tranga, nampandre ny polisy ireo nahita izany. Vokany, raikitra ny fanenjehana ilay fiara teny amin’ny lalan’ny By pass. Tsy lavitra teo koa, nisy ny fiaran’ny polisin’Alasora nanao fisafoana ka noraisim-potsiny ralehilahy. Tsikaritra tamin’izany fa mamo ny mpamily. Ary nampiseho karatra maha « assistant parlementaire » azy ihany koa. Nohamarinina avy hatrany ilay karatra ary fantatra fa karatra efa taloha ary tsy manan-kery intsony. Saingy noentiny hatrany izany nisandohany andraikitra. Teo no ho eo, voasambotra  avy hatrany ny tenany ary nanaovana fanadihadiana. Ireo naratra kosa nalefa vonjimaika teny amin’ny HJRA ary efa tsy ahina ny fahasalamany, ankehitriny.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.