Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Le Glacier Analakely: hifandimby sehatra ry Khaleba sy Koike

Le Glacier Analakely: hifandimby sehatra ry Khaleba sy Koike

Miverina tsikelikely ny fialamboly ! Efa ela rahateo no niandrasana izany ka fantatra izao fa efa miverina amin’ny laoniny koa ny « cabaret » ao amin’ny Le Glacier Analakely. Hanokatra ny fialamboly faran’ny herinandro, anio, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina i Khaleba. Mpanakanto zanak’i Menabe, mivoy ny gadona maromaro, indrindra ny tsapiky izy. Efa ela ihany no nahenoana ireo hirany toy ny “Mampirafy”, “Manegny”, “Lasa izy”, sns. Misy koa anefa ireo vokatra vaovao toy ny “Vadiko tiako”, izay samy hozarain’ity mpanakanto ity an-tsehatra avokoa.
Hizara ny mozikany ihany koa i Koike, rahampitso asabotsy 17 oktobra, amin’ny 7 ora sy sasany alina hatrany. Efa elaela ihany koa no tsy tazana an-tsehatra ity mpanakanto ity. Hanakoako indray ny “Aza manary toky”, “Hiezaka” sns, izay mampisongadina an’ilay feo tsy manam-paharoan’i Koike.

Zo ny Aina

 

Les commentaires sont fermées.